Ho an’ireo tsy manana paompin-drano fisotro madio fa mampiasa vovo hoy izy dia tokony hampangotrahana hatrany ny rano vao sotroina. Ho entin’ireo karazana riaka vokatry ny rotsak’orana mandeha mantsy ireo karazana mikraoba toy ny diky miparitaka ka mety ho tonga hatrany anaty rano sotroina izany. Mety ho tonga hanondraka ireo karazana anana sy legioma fihinana manta toy ny voatabia, salady ary kaokaombra ihany koa ireo rano mitondra ireo diky miparitaka ka mety hankarary kibo avy hatrany raha tsy voadio ara-dalana izany. Tokony hosasana tsara araka izany ireo legioma hanina manta sy ny voankazo hoy hatrany ity mpitsabo ity. Nomarihiny moa fa mandreraka haingana ary tena atahorana ny aretin-kibo indrindra fa ho an’ny ankizy ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Pati