airtel

Fahasalamana

05-mars-2025

HATAVEZANA

Miteraka aretina maro, ilana fitandremana

Sample post image

Miteraka aretina maro ny hatavezana ka ilana fitandremana.

05-mars-2025

Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray dia miteraka fahasemporana ho an’ny olona iray ny tavibe loatra ao anatin’ny vatany. Mety ho tsentsin’ny tavy ihany koa ny lalandrany…Betsaka anefa ireo olona tsy mahalala akory fa matavy izy na mihamatavy. Raha araka ny fanazavana azo dia amin’ny alalan’ny IMC na ny Indice de Masse Corporelle no hahafahana manantatra izany. Tsotra ny fomba fikajiana azy io. Ny lanjan’ilay olona (kg) no zaraina amin’ny halavany (mètre²). Raha latsaky ny 18,5 araka izany ny IMC dia mahia ilay olona. Antonony na ara-dalana kosa ny lanja raha eo anelanelan’ny 18,5 sy ny 24,9. Raha eo anelanelan’ny 25 ka hatramin’ny 29,9 indray ny IMC dia mahazo aina ilay olona raha matavy izy raha eo anelanelan’ny 30 ka hatramin’ny 34,9 izany. Diso matavy loatra indray ilay olona raha mihoatra ny 35 ilay IMC. Nankalazaina omaly Talata 04 Martsa ny andro maneran-tany hiadina amin'ny hatavezana. Manentana ny amin’ny tokony hihinana sakafo ara-pahasalamana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana izany. Toraka izany koa ny fisotroana rano 1 litatra sy tapany isan’olona isan’andro arahin’ny fanaovana fanatanjahantena mba hananana lanja antonony ho fitandroana ny fahasalamana.
Pati
Legende : Ny fihinanana voankazo sy legioma tahaka izao dia efa hahafahana miady amin’ny hatavezana !

 

Dans la même rubrique