airtel

Fahasalamana

22-mai-2024

HJRA AMPEFILOHA

5 ireo namoy ny ainy nandritra ny fety

Sample post image

Nahatratra 5 ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta teo nandalo sy notsaboina

22-mai-2024

tetsy amin’ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha. Raha hatontaly dia miisa 183 ireo narary nandalo nandritra ireo roa andro ireo, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ka ho an’ny sampana fameloman’aina na urgence dia nahatratra 124 izy ireo. Ny 18 tamin’ireo lasibatra noho ny adiady sy ny hamamoana, ny 33 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana raha loza tsotra kosa ny ambiny ka afaka nody avy hatrany rehefa nahazo fitsaboana. Miisa 33 kosa ireo narary nentina nandalo tao amin’ny sampana vonjy taitra. Ny 3 nahery nisotro toaka loatra izay niaro zava-mahadomelina fa tsy nahatsiaro tena vokatr’izany. Miisa 4 kosa ireo tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo ka anisan’izany ireo zaza tsy manan-tsiny izay fantatra fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Pati
Legende : Feno olona tahaka izao hatrany matetika eo anivon’ny sampana fameloman’ain’ny hopitalim-panjakana HJRA !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Efa tsy mila averina matetika intsony ny hoe efa lasa toa an’ireo aretin’ny ririnina rehetra

Card image cap