airtel

Fahasalamana

07-mai-2024

HOLAFITRY NY INFIRMIERA

Hanenjika ireo infirmiera sandoka

Sample post image

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

07-mai-2024

Madagasikara na ny ONIM. Diso milalao ain’olona loatra mantsy izy ireny indrindra ireo miasa eny anivon’ny tontolo ambanivohitra raha araka ny fanazavan’ny filohany Atoa John love tamin’ny mpanao gazety omaly. Raisinay ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireny izay mampiasa infirimiera sandoka na eny anivon’ny hopitalim-panjakana izany na eny anivon’ny hopitaly tsy miankina hoy hatrany Atoa John love. Tsiahivina moa fa efa am-polony ireo infirmiera sandoka tratran’izy ireo ary nomeny fampitandremana nandritra ny fitsidiham-paritra notanterahiny. Mankalaza ny andro manerantany ho an’ny infirmiera izy ireo ankehitriny. Ankoatra ny fanaovana didim-poitra faobe izay natombony omaly teny anivon’ny CSB II dia hisy ihany koa ny fitiliana ny aretina diabeta… hatao any amin’ny lalana hodiaviny hatrany Toamasina any. Infirmiera avokoa no hanao ireo asa rehetra ireo. Manana infirmiera miisa 45.000 moa isika eto Madagasikara ankehitriny.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap