airtel

Fahasalamana

12-avril-2022

Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana 10 no matin’ny bronchiolite tato anatin’ny iray volana

Sample post image

Miisa 30 isan’andro ireo zaza miditra hopitaly ao amin’ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana tato anatin’ny iray volana izao.

12-avril-2022

Vao teraka ka hatramin’ny 2 taona ny ankamaroan’izy ireo raha araka ny fanazavan’ny dokotera Rambeloson Setra , dokotera manam-pahaizana manokana misahana sy mandray an-tanana ny zaza eo anivon’ity hopitaly ity na pediatre.Vokatr’ilay aretina bronchiolite no mahatonga izany izay miseho amin’ny alalan’ny sery eny am-piandohana. Mikohoka ilay zaza aorian’izany ary mivadika ho lasa sempotra avy eo. Tsy valan’aretina Covid 19 anefa no mahazo ireny ankizy madinika ireny raha araka ny fanazavana azo hatrany na dia eo aza ny fisian’ilay fahasemporana. Misy amin’ireo ankizy araka izany no tsy mahazaka ka miisa 10 hatreto ireo efa namoy ny ainy tsy fidiny. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia anisan’ny antony miteraka ity aretina kohoka sy fahasemporana mahazo ny zaza ity ny fahalotoan’ny tontolo iainana eto an-drenivohitra. Lohalaharana amin’ireny ny setroka havoakan’ny kodiaran-droa na ny moto 2T izay mampiasa ireny solika tapohana menaka ireny.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ankoatran’ny resaka fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday na serasera

Card image cap