airtel

Fahasalamana

01-juil-2021

Fahasalamana

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Mandray marary8 hatramin’ny 20 isan’andro ireo

Sample post image

Mirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ankoatra ny aretin’ny taovam-pisefoana izay maro mpahazo ny ankizy tokoa ary miteraka fahasemporana

01-juil-2021

 

 dia mamely ihany koa ny aretim-pivalanana. Ho an’ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana na ny CHUMET dia fantatra fa mahatratra 8 ka hatramin’ny 20 isan’andro ireo zaza miditra ao an-toerana lasibatr’ireo aretina ireo ka ireo 5 taona no maro an’isa indrindra. Misy amin’ireo zaza ireo no misy lavaka ny fony, tsy nitomany hatramin’ny fotoana nahaterahany nefa tsy vita eto Madagasikara ny fitsaboana azy. Na izany aza dia miezaka ireo mpitsabo ao an-toerana ka ho an’ireo tsy tara loatra ny fotoana hahatongavany eny anivon’ny hopitaly dia saika avotra soamantsara avokoa izy ireny. Mbola olana ho an’ny hopitaly kosa anefa ny tsy fahampian’ny fandriana handraisana ireo ankizy marary. Tonga nanolo-tanana ho an’ny CHUMET Tsaralalana araka izany ny fikambanana Rotary Club izay fantatra fa hanitatra ny foto-drafitrasa ao an-toerana. Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tsy salama eto amintsika, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza.
Pati
 

 

Dans la même rubrique