airtel

Fahasalamana

11-nov-2021

Fahasalamana

Hopitaly Itaosy Maimaim-poana ny fizahana momba ny fo anio sy rahampitso

Sample post image

Olona 50 amin’ny 150 tonga namonjy ilay fizaham-pahasalamana maimaim-poana mikasika ny aretim-po natao tany amin’ny kaominina ambanivohitra Talatavolonondry, distrikan’Avaradrano no fantatra fa lasibatr’ity aretina ity avokoa.

11-nov-2021

 Lafo dia lafo anefa ny saran’ny fitsaboan-tena ankoatra ny fanafarana ireo karazam-panafody avy any ivelany. Antony maro no mahatonga ny aretim-po raha araka ny fanazavana azo. Lohalaharana amin’ireny ny fiakaran’ny tahan’ny diabeta anaty vatana. Eo ihany koa ny fiakaran’ny tosi-dra izay mety ho vokatry ny fifohana sigara, ny hatavezana diso tafahoatra ka miteraka ny kolesteroly ary ny tsy fanaovana fanatanjahantena. Mba hahafahana manampy ny mpiara-belona manoloana ity aretina iray ity ary dia fantatra fa nitohy omaly tao amin’ny hopitaly Itaosy, Antananarivo Atsimondrano hatramin’ny anio Alakamisy ilay hetsika fizaham-pahasalamana momba ny fo. Ny fikambanana Tia Aina organization no handray an-tanana izany, manana tanjona hanampy sy hanohana ny mpiara-belona indrindra fa ireo tena sahirana. Omaly fotsiny dia am-polony maro ireo olona tonga nanatona ity hopitaly iray ity.

Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap