airtel

Fahasalamana

24-mai-2024

HOPITALY LOTERANA AMBOHIBAO

Fitsaboana aloha vao ny sarany

Sample post image

Raha vola aloha vao mitsabo marary ny ankamaroan’ireo hopitaly tsy

24-mai-2024

miankina eto amintsika dia mifanohitra amin’izay ny an’ny Hopitaly Loterana etsy Ambohibao izay an’ny Fiangonana Loterana mihitsy. Fitsaboana aloha vao ny sarany ny azy ireo ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : izahay mitsabo fa Jesosy no manasitrana. Tonga dia tafiditra ao anatin’ny fitsaboana ny fanafody raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana omaly izay vao miresaka ny sarany amin’ny marary ny tompon’andraikitra. Nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana izy ireo omaly ka samy nanao izany avokoa ireo sampandraharaha rehetra misy ao aminy. Nisy araka izany ny fijerena maso, sofina, tenda narahin’ny fitsapana ny tosi-dra sy ny aretina diabeta…. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taona niorenan’ny hopitaly izany ka omaly no nanatanterahana ny ivony teny amin’ny hopitaly Loterana Ambohibao. Hifarana anio Zoma 24 May ny eny an-toerana raha hitohy rahampitso Sabotsy sy afaka rahampitso Alahady 26 May kosa izany ho an’ny eny amin’ny Fiangonana Loterana 67 ha, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny ihany koa. Tsiahivina moa fa mahatratra 200 isa ireo mpiasa manodina ity hopitaly ity ankehitriny ka ny 20 isa amin’ireo no dokotera. Tanjon’izy ireo amin’ny 40 taona ho avy ny hananganana radio nomerika raha eo ihany koa ny fanamboarana chapelle na fiangonana hahafahan’ny rehetra mivavaka. Tsy ny nofo ihany mantsy no tsaboina hoy ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy karakaraina ihany koa ny fanahy.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana omaly !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap