airtel

Fahasalamana

01-avril-2021

Fahasalamana

Hopitaly Loterana Ambohibao Notolorana “Concentrateurs d'oxygène”

Ady iraisana sy mila ifandrimbonana ny ady amin’ny coronavrius amin’izao fotoana izao,

01-avril-2021

 

 

 

 ka mandray anjara feno araka izay azony atao amin’izany ny hopitaly tsy miankina mitsabo ireo marary. Noho izany indrindra, notoloran’ny Fanjakana “Concentrateurs d'oxygène” entina hitsaboana ireo marary izay mila izany ny Hopitaly Loterana Ambohibao omaly 31 martsa. Nanolotra ireo fitaovana ireo tamin'ny anaran'ny Filoham-pirenena ny Sekretera Jeneraly eto anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramonjavelo Valery, niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka, Pr. Rakotovao Hanitrala Jean Louis ary ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Efa tamin'ny taona 2020 no nifanome tanana tamin'ny fitondram-panjakana ny Hopitaly Loterana Ambohibao nandray ireo marary voan'ny COVID-19 ary efa nahazo fampiofanana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka ireo mpiasan'ny fahasalamana ao an-toerana. Isan’ireo Hopitaly tsy nikely soroka, ary nisy mpiasa lasibatra sy lavon’ny coronavirus aza noho ny adidy tamin’ny mpiray tanindrazana.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap