airtel

Fahasalamana

22-sept-2026

Ifanadiana

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

Sample post image

Nanamarina ny fisian’ny valan’aretina

22-sept-2026

ao Ampasinambo ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa misy valan’aretina miparitaka sy mahafaty olona ao amin’ny kaominina Ampasinambo, Distrikan’Ifanadiana. Tsy mbola voafaritra mazava ny isan’ireo namoy ny ainy hatreto, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Rakotoarimino Andrianina Désiré. Araka ny tatitra, kitrotro no ahiana ho fototry ny aretina, saingy hita ihany koa fa misy marary voan’ny tazomoka. Ireto no soritr’aretina voamarika: maso mena, vatana feno mandrotsirotsy, hafanana be, sery, kohaka, fanaviana, fivalanana. Zazakely no maro amin’ireo marary voakasika. Efa tanteraka ny fanadihadiana ifotony sy ny fakàna santionany hoentina mamantatra marina ilay aretina. Mbola andrasana ny valin’ny fitiliana ataon’ny Institut Pasteur de Madagascar amin’izao fotoana izao. Mandra-piandry ny valin’ny fitiliana, nandefa teknisiana ny ministera mba hitsabo ireo marary sy hijery ny kaominina manodidina an’Ampasinambo. Nisy ihany koa ny famatsiana fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Toky R
 

Dans la même rubrique