airtel

Fahasalamana

14-juil-2025

Iray volana anio ny raharaha Ambohimalaza

Tafakatra 29 ny maty, tsy rototra ny Fitondrana...

Sample post image

Iray volana katroka anio 14 jolay ny raharaha fahapoizinana mahatsiravina

14-juil-2025

nahafaty olona am-polony maro, tao amin’ny toeram-pilanonana M City Ambohimalaza. Hatreto, tafakatra 29 ny maty. Mbola nisy namoy ny ainy indray mantsy ny sabotsy 12 jolay teo, raha ny vaovao tsy ofisialy nivoaka. Nialohan'io, nisy iray hafa ihany koa ny 7 jolay. Andaniny, ny Hopitaly CHU HJRA dia ny 6 jolay no namoaka antontan'isa farany mikasika ny fivoaran'ny toe-draharaha. Somary mahagaga satria saika isan'andro io Velom-panontaniana ny mpanara-baovao hoe fa nahoana moa ny pejin'ny hopitaly CHU JRA no tsy namoaka vaovao sy tatitra ofisialy isan'andro intsony ? 6 andro lasa no nisy tatitra farany teo aloha na misy maty na tsy misy. Nisy fomba fiasa niova ? Nisy toromarika ara-panjakana ? Teo amin'ny 13 ny olona mbola notsaboina raha ny antontan'isa ofisialy farany, izay tao anaty fahasarotana ny ankamaroany, na misy aza ireo mba efa mahavelom-bolo ny fivoaran'ny fahasalamany. Mbola tsy tena fantatra sy tsy voafaritra mazava ny tena anton'ny loza, betsaka ny zavatra mifamahofaho sy mifanipaka,... Ny Fanjakana nanizingizina fa fanapoizinana niniana natao, nolazaina singa tsy fahita amin'ny sakafo sy ny vatan'olombelona no valin'ny fitiliana,... Ny fampahalalam-baovao vahiny mitatitra fa ny loharanom-baovao avy amin'ny mpitsabo eto dia mandiso ny filazana fa famosaviana, lazainy fa ny fitilian'ny laboratoara Institut de médecine légale de Strasbourg Frantsa, tsy ahafahana milaza mihitsy hoe tsy "botulisme" no nitranga. Mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny 9 Jolay lasa teo. "Nolazainy mihitsy fa tsy manana fahafahana hamantatra ny mety ho fisian’ny "toxine botulique" izay miteraka "botulisme". Hatreto, mitombo hatrany ny maty na teo aza ny filazan'ny Fanjakana fa efa misy "Protocole" ampiasaina. Mahomby ve izany ilay izy sa mandeha an-jambany ka sanatria ankinina amin'ny vitana sy ny anjara? Niova ve ny fomba fitsaboana taorian'ny fanamafisana fa fanapoizinana na "empoisonnement" ? Manao ahoana ny famaliana ny fitakian'ny olona namoy havana sy manana marary hoe: avoahy ny tena marina ? Ahoana ny momba ny fangatahana fitsorana hoe tsy vita eto ny fitsaboana ka mba raisin'ny Fanjakana an-tanana ny EVASAN (Évacuation Sanitaire)? Moa tsy milalao aina ve ny Fanjakana ? Ahoana ihany koa ny momba ireo resabe mahavoatonontonona olona ambony sy ny ahiahy mikasika ny tompon'ny tsingerin-taona?
Toky R
 

Dans la même rubrique