airtel

Fahasalamana

30-oct-2026

KAOMININA

ALASORA

Sample post image

Nanamafy ny Ben’ny tanana fa

30-oct-2026

tsy misy aretina haromontana izany
Tsy misy aretina azo avy amin’ny kaikitry ny alika na haromontana izany ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Nanamafy izany ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy indrindra taorian’ilay vaovao niparitaka fa nisy zaza iray maty tany an-toerana. Notsiahiviny kely fa tao amin’ny Fokontanin’i Miadana no nisehoan’iny tranga ity. Zaza roa taona ilay lasibatra izay nentina avy hatrany teny anivon’ny CSB II raha vantany vao voakaikitra. Nentina teny anivon’ny Institut pasteur ny singa taminy taorian’izany sao sanatria hamorontana no mahazo azy kinanjo negatif. Maty anefa ilay zaza. Midoika izany hoy ny Ben’ny tanana fa tsy aretina hamorontana no nahafaty io tsy manan-tsiny io. Na izany aza dia nohamafisiny kosa fa misy ny kaikitra hataon’ny alika ao Alasora indrindra fa ireo mirenireny. Nosinganiny manokana ny Fokontany ao Ambodivondava ka nanao antso avo tamin’ny mponina mba samy hanao vaksiny sy hamatotra ireny alikany mirenireny ireny. Tsy maintsy handray fepetra mantsy ny kaominina atsy ho atsy, ho an’ny Fokontany rehetra mandrafitra an’Alasora mihitsy. Tsiahivina fa olona miisa 59.000 isan-taona no mamoy ny ainy manerantany vokatry ny kaikitry ny alika romotra. Ankizy ny ankamaroany izay misy iray isaky ny 9 minitra.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora !
 

Dans la même rubrique