airtel

Fahasalamana

08-avril-2022

Fahasalamana

Kaominina Antananarivo renivohitra Mizaha fahasalamana maimaimpoana eny Avaradoha

Sample post image

Olona maherin'ny 1000 no kendrena hisitraka ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka izay karakarain'ny kaominina Antanananarivo renivohitra nanomboka omaly eny amin’ny fokontany Avaradoha,

08-avril-2022

 hetsika hifarana androany. Tolotra ara-pahasalamana maro ahitana fizarana fanafody mifandraika amin’ilay aretina , fizahana maso, diabeta, tosi-dra no hatao amin’izany. Misy ihany koa ny fanaovana vaksiny miady amin'ny valan'aretina covid-19. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ ny taona 2020 ny hetsika , ka mitety fokontany roa isam-bolana ny mpitsabo eo anivon'ny kaominina. Anisan'ny mampiavaka ny andron’ny omaly kosa ny fiaraha-miasa tamin'ny manam-pahaizana manokana amin'ny maso, ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ary ny tambazotra iray eto an-toerana hoy ny fanazavana azo. Olona an-jatony moa no tonga nanenjika izany omaly izay marihina fa samy tsy manana fahafahana ny hitsabo tena avokoa noho ny halafosan’ny saran’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahina omaly
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap