airtel

Fahasalamana

23-févr-2024

KAOMININA TALATAMATY

Niampy iray ny CSB II, natolotra omaly ny fotodrafitrasa

Sample post image

Niampy iray ny foto-drafitrasa ara-pahasalamana ao anatin’ny kaominina Talatamaty,

23-févr-2024

distrikan’Ambohidratrimo. Izany no natao dia ho fanampiana ny mponina amin’ny fitsaboan-tena ho an’ireo tojo tsy fahasalamana na koa fiterahana ho an’ireo Reny mitondra vohoka ho fanampin’ilay iray efa misy ao an-toerana. Ao amin’ny Fokontany Amborompotsy no naorina ity CSB II iray ity izay natolotra ny kaominina tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 22 Febroary. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina tamin’ny mpiara-miombon’antoka BATIMAX no angady nananana sy vy nahitana izany izay marihina fa nanolotra ny fitaovana feno rehetra ilaina ao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity. Na izany aza anefa dia mbola andrasana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka kosa ny taratasy hahazoan’ity CSB II iray ity misokatra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanao ny asa rehetra sy hampiodina azy. Hisokatra avy hatrany ny hopitaly aorian’izany izay nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic omaly fa tsy manavaka olona rehefa mponina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Tsiahivina moa fa mbola hitohy amin’ny sehatra hafa ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ka anisan’izany fanavaozana ny biraon’ny kaominina Talatamaty.
Pati
Legende : Ity ilay CSB II natolotry ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny kaominina Talatamaty omaly !
 

Dans la même rubrique