airtel

Fahasalamana

23-sept-2026

KARAZAM-PANAFODY

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

Sample post image

Mampitandrina ny rehetra Dr Jean Claude Ratsimivony

23-sept-2026

Betsaka ireo karazam-panafody misy manaparitàka amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ankehitriny lazaina fa manasitrana. Tanisaina ao anatin’izany avokoa ny fomba fampiasana azy sy ny aretina sitrany....Manoloana ireny dia miantso ny rehetra samy hitandrina ny dokotera Jean Claude Ratsimivony, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny vondrona JCR sy ny Vovonana Vaniala. Nambarany fa tsy azo hatao ny mampiasa fahatany na mihinan-kinam-poana azy ireny ho fitandroana ny fahasalamana. Ho an’ny vovonana Vaniala izay tantanany manokana dia nambarany fa mijery ny fahasalaman’ireo marary tonga manatona azy aloha izy ireo vao manoro hevitra sy manome fanafody. Mampiavaka azy ny fampiasana ireo karazam-panafody sy evoka ary baoma vita amin’ny zava-maniry 100% efa nanaovana fikarohana ela sy nandalo laboratoara. Azon’ny marary hampiarahina amin’ny paracetamol....izany hoy izy raha toa ka marary ny lohany, miankina amin’izay toro-hevitry ny dokotera fa tsy mifanipaka velively. Nomarihin’ity dokotera ity moa fa miara-miasa amin’ny mpikaroka maro sy ny oniversite ny vondrona JCR. Efa nanofana dokotera mihoatra ny 1.000 isa ihany koa izy ireo mitsabo sy mikarakara ireo olona any ambany ravinahitra maro any. Tanjon’izy ireo ny hampahafantatra ny rehetra fa azo havadika ho fanafody manasitrana avokoa ny ankamaroan ireo karazan-java-maniry misy eto amintsika ka tokony ho arovana. Efa mihoatra ny 10.000 taona no nisian’izy ireny teto Madagasikara ary efa nisy olona teto amintsika tamin’izany. Mitovy tsy misy hafa amin’ny ADN an’ireo karazan-java-maniry misy any Azia, Malezia, ary Thaillande... raha ny nambarany ireo zava-maniry eto amintsika. Tokony ho sarotiny amin’izy ireny isika hoy hatrany Dr Jean Claude Ratsimivony fa tena ka arovana mba tsy ho lany taranaka sy ho simbasimba fahatany.
Pati
Legende : Izy no dokotera Jean Claude Ratsimivony, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny vondrona JCR!

 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Nanamarina ny fisian’ny valan’aretina

Card image cap