airtel

Fahasalamana

06-juil-2026

KLINIKA ANKADIFOTSY

Mandray marary 40.000 isan-taona

Sample post image

Mandray marary 40.000 isan-taona

06-juil-2026

ny tobim-piantsonana tsy miankina iray etsy Ankadifotsy na ny Polyclinique Saint François d'Assise tantanandry Masera. Ankoatra ireo mponina eto an-drenivohitra dia marobe koa ireo avy any amin'ny faritra tonga manatona azy ireo ka anisan'ny tena maro an'isa ny mpiteraka. Na izany aza betsaka ny olana sedrain'izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao. Lohalaharana amin'ireny ny delestazy na ny fahatapahan-jiro matetika izay mety hamono tampoka ireo olona marary mafy mampiasa oxygène na ireo mandalo fandidiana. Toraka izany koa ny tsy fahampian'ny fitaovana ho enti-mamonjy ny marary na mpiteraka miala avy any an-tokantranony. Tonga namaly ny hetahetan'izy ireo ny masoivohon'i Japon. Fiara fitondrana marary ahitana ireo fitaovana rehetra ilaina eny an-dalana no natolony tamin'izany miampy vondrona milina mpamokatra herinaratra iray na groupe électrogène mañana tanjaka 100 Kva Mitentim-bidy 324 tapitrisa Ar izy ireo, fiaraha-miasa tafiditra ao anatin'ny fanampiana sy famonjena ny ain'ny mpiara-belona. Fantatra moa fa tamin'ny taona 1903 no niorina teto amintsika ity tobim-pitsaboana tsy miankina iray ity. Ankoatra ireo olona manana sokajim-piainana antonony sy ambony dia mandray ireo olona sahirana koa izy ireo. Natao ho zakan'ny rehetra ny vola aloha amin'izany.
Pati
Légende : Nahazo fitaovana raitra tahaka izao ny hopitaly !
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Maromaro ny olana ara-pahasalamàna

Card image cap