airtel

Fahasalamana

04-nov-2021

Fahasalamana

Kongresy any Morondava Ho fampiraisana ireo Paramed rehetra

Sample post image

Manitsaka ny andro fahatelo ao Morondava anio ny Zaikabe Nasionaly tanterahan'ny Paramedy izay hifarana rahampitso zoma.

04-nov-2021

Iray amin'ireo toko telo mahamasa-nahandro ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny Paramedy. Ny 45%n'ny mpiasan'ny Fahasalamana mantsy dia Paramed avokoa.Isan-taona no hanatanterahana fihaonam-be toy izao, mba hifampizarana traikefa, hitondrana ireo tatitra avy any amin'ny Distrika tsirairay, handrafetana sahady ireo asa hotanterahina amin’ny taona ho avy, ary ho fampiraisana ireo Paramed rehetra manerana ny Nosy.Tonga nanome voninahitra ny ny lanonam-panokafana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay sady ministra « Coach » ny Faritra Menabe, ary ny Ministry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notronin’ ireo olomboafidy sy Manam-pahefana maro samihafa. Tsiahivina moa fa anisan’ny mbola olan’ireo paramaedy hatreto ny havitsian’izy ireo sy ny tsy fanajana tanteraka ny zony koa mbola hanaovany antso avo amin’ny Fitondram-panjakana hatrany.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny 90%-n’ireo ankizy latsaky ny 6 taona eto amintsika no fantatra fa tratry ny aretin-nify.

Card image cap