airtel

Fahasalamana

27-oct-2026

Lasopy sy « composé »

hamidy mandehandeha

Sample post image

Nanapoizina olona miisa 4 teny Alasora

27-oct-2026

Olona miisa 4 no fantatra fa tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano omaly Alatsinainy 26 Oktobra. Araka ny fampitam-baovao avy amin'ny mpitsabo ao amin'ny CSB II Alasora dia miisa 4 izy ireo. Ny 2 nihinana « composé » anaty barquette hamidy mandehandeha raha nihinana lasopy commando kosa ny 2 ambiny. Taorian'ny fitsaboana vonjy taitra nomena azy ireo tao amin'ny CSB II Alasora moa dia nalefa eny amin'ny Hopitaly Ambohimangakely izy ireo hanohy ny fitsaboana. Miantso sy manentana ny rehetra mba ho mailo sy hitandrina amin'ny sakafo hohanina, indrindra ireo sakafo hamidy eny an-dalambe araka izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Alasora ary hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha misy soritr'aretina mampiahiahy. Nampahatsiahy koa izy ireo fa tsy azo hatao ny mivarotra lasopy commando mandehandeha ao amin’ny faritra hiadidiany ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.
Pati
Legende : Ilana fitandremanabe ny fihinanana lasopy commando mandehandeha amin’izao !
 

Dans la même rubrique