airtel

Fahasalamana

14-sept-2021

Mahajanga Nitombo isa ny olona voan’ny VIH

SIDA

Sample post image

Nahitana fiakarana ny tahan’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA any amin’ny faritra Boeny iny tao anatin’ny vanimpotoan’ny fihibohana raha

14-sept-2021

 ny nambaran’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any an-toerana Dr Hoasy Solange tao amin’ny fahitalavitra iray omaly. Ao Mahajanga no misy ny Ivon-toerana mandray an-tànana ireo olona voan’io tsimokaretina io. Nahitana azy avokoa na ny ankoatr’ireo sokajin’olona manokana na “groupe cible”, toy ny lehilahy mivady amin’ny lehilahy, na ny lehilahy miaraka amin’ny mpampanofa tena aza. Ny zava-misy hita sy voamarika, dia niakatra ihany koa ny tahan’ny vehivavy bevohoka voatily fa mitondra ny tsimokaretina, hoy ny fanazavana. Ny fampitomboana ny isan’ny fitiliana no nahitana ny fiakarana. Izay hetsika izay no mety nampisy ny fiakarana. Manamafy ny hetsika ho amin’ny fisorohana ny fipariahan’ny VIH/SIDA ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana any an-toerana, ary eo ihany koa ny fandraisana an-tànana ireo voa mba tsy hahilikiliky ny fiarahamonina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap
26-mars-2024

Betsaka ireo lehilahy manana olana ara-pananahana tonga manatona mpitsabo amin’izao.

Card image cap