airtel

Fahasalamana

15-oct-2026

Mamely ny pesta

Distrika 4 no voakasika sy ahiana mafy…

Sample post image

Miverina mamely indray ny

15-oct-2026

pesta eto Madagasikara amin’izao fidirana tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana mando izao. Raha ny tarehimarika farany navoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia efa olona efatra no voamarina fa voan’ny aretina nanomboka tamin’ny faran’ny volana jolay, ka nahitana izany tao amin’ireo faritra efa fantatra hatramin’izay ho toeram-pihanaky ny pesta, dia ny distrikan’Ankazobe sy Anjozorobe ho an’Analamanga ary Ambohimahasoa any Haute Matsiatra. Efa notaterina teto vao andro vitsy lasa fa nisy olona 3 mianaka maty tany Midongy Atsimo sy Andranolalina izay voalaza fa noho ny pesta, ka ireo olobe roa ny faran’ny faran’ny septambra, raha ny 09 oktobra kosa ny tovolahy iray 20 taona, zafikelin’izy ireo. Efa tafakatra amin’ny ambaratonga ambony ny fanairana ara-pahasalamana, indrindra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, taorian’ny nahitana tranga dimy ahiana ho pesta tao Midongy Atsimo, izay mbola andrasana ny fanamafisana ofisialy avy amin’ny laboratoara. Manoloana izany toe-javatra izany dia efa natsangana ny paikady vonjy taitra hiadiana amin’ny fiparitahan’ilay bakteria « Yersinia pestis », izay afindran’ny parasy mipetraka amin’ny voalavo. Notokanana sy tsaboina ireo marary voamarina, raha olona manakaiky ny 200 kosa, izay nifandray tamin’izy ireo, no nomena fitsaboana antibiotika fisorohana ary arahi-maso akaiky. Any amin’ireo toerana voakasika dia miara-misalahy ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana eny ifotony amin’ny fanatanterahana famonoana parasy amin’ireo trano fonenana, ady amin’ny voalavo ary fikarohana ireo mety ho tranga vaovao,... Tsy vao sambany no miseho indray ny pesta rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra sy ny orana. Mampiseho hatrany anefa izany fa mbola misy fahalemena eo amin’ny sehatry ny fahadiovana sy ny fitantanana ny fako an-tokantrano, izay manamora ny fitomboan’ny isan’ny voalavo manodidina ny toeram-ponenana. Mbola mitoetra ho fanamby lehibe ho antsika ny ady amin’ity aretina efa nisy hatramin’ny taonjato maro ity, izay hampahatsiahivana hatrany fa anisan’ireo Firenena 6 sokajian’ny OMS ho isan’ireo firenena 6 maneran-tany mbola ahitana trangana pesta voamarina i Madagasikara, ary noho ny fiparitahan’ny pesta indray any amin’ny toerana sasany izay efa tsy nahitana azy intsony, dia sokajian’io rafitra ara-pahasalamana io ho aretina miverina miseho (ré-émergente) izy. Ny vanim-potoana manomboka amin’ny volana septambra ka hatramin’ny martsa no tena ahitana fihanaky ny trangana pesta eto amintsika.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

Matotra ny fiaraha-miasan'ny

Card image cap