airtel

Fahasalamana

07-sept-2021

Fahasalamana

Mampitandrina ny mpitsabo Mamono haingana noho ny Covid 19 ny Pesta

Sample post image

Manomboka ny volana aogositra ka hatramin’ny volana aprily no tena mampahazo vahana ny valan’aretina pesta eto amintsika.

07-sept-2021

Tany amin’ny taona 1350 tany ho any dia nandripaka ny antsasaky ny mponina tany amin’ny faritr’i Eoropa ity valan’aretina iray ity izay niitatra tany Azia, Sina, Afrika taty aoriana ary io mbola misy sy mamono isan-taona hatrany eto amintsika io izy hoy dokotera Fidy Bariniaina. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny ady hatao amin’ny pesta sy ny fisorohana izany hoy hatrany ity dokotera ity. Mamono haingana kokoa mantsy ny pesta hoy izy, indrindra fa ny pesta aretin-tratra raha oharina amin’ny Covid 19 izay aretina efa miara-miaina amintsika eto Madagasikara ihany koa. Tokony samy hitandrina amin’ny fahadiovana araka izany ny rehetra hoy izy, indrindra fa ny ady hatao amin’ny voalavo sy ny parasy amin’ny alalan’ny fanalana ireo lobolobo sy ny tsy fanaparitahana ny ambinn-tsakafo masaka etsy sy eroa. Ankoatra izay hoy izy dia tokony miezaka ihany koa ireo mponina any ambanivohitra mba tsy hanao famadihan-drazana izay mbola voarara tanteraka. Anisan’ny toerana tena tian’ny pesta mantsy hoy izy ny hatsiaka ao am-pasana ka rehefa havoaka ny taolam-balo volavolaina ety ivelany dia miparitaka izany ary manaraka ny kiraron’ireo olona mpamadika. Tonga hatrany an-tanana ilay vovom-paty hoy izy ka mamely ireo voalavo ary parasy avy amin’ireto farany indray no manaikitra ny olona. Notsiahiviny moa fa ao anatin’ny ora vitsy monja dia mety hahafaty olona iray ny pesta aretin-tratra ka amin’ny alalan’ny fanaviana be, ny atody tarimo…. no marika hahafantarana ny fisiany. Mifindra sy miparitaka amin’ny alalan’ny rehoka sy piti-droran’ilay olona ny pesta ka antony manafaingana nyfitomboan’ny isan’ireo olona voa izany, hoy hatrany ny izy.
Pati sy J.Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap