airtel

Fahasalamana

27-févr-2026

MAMPITASOA

HANDICAP MADAGASCAR

Sample post image

Sekoly tokana manampy ny sahirana sy mitaiza ny jamba

27-févr-2026

Ny Mampitasoa Handicap Madagascar na ny MHM no hany sekoly tokana manampy ireo ankizy tsy manam-piahy sy sahirana eto Antananarivo no sady mitaiza ireo mañana olana ara-pahitana na jamba. Miisa 10 mahery Ireto farany, sahanina mpampianatra miisa 2 tohanana manam-pahaizana vahiny manokana momba ny fitaizana jamba isaky ny enim-bolana. Ankoatra ireo dia miisa 100 ireo ankizy sahirana tezainy, nomanina hiditra eny amin'ny sekoly ambaratonga fototra teny am-piandohana saingy tsy nisy mpandray, raha araka ny fanazavan-dRahaririaka Martial Filoha mpanorina ny sekoly. Voatery nanangana sekoly hianaran'ireo sahirana ireo ny mpikarakara noho izany mba hahatanteraka ilay teny filamatra manao hoe : saina matsilo, antoky ny ho avy. Miezaka ny Mampitasoa Handicap Madagascar noho izany mampita ny soa amin'ny mpiara-belona sy ny sahirana raha toraka izany koa ny jamba. Tsy mora ny asa miandry azy ireo raha araka ny fanazavan'Atoa Martial hatrany. Tsy mijanona amin'ny fanabeazana tsotra mantsy no omen'izy ireo fa mampianatra ny resaka fahadiovana, fikarakaram-batana...ihany koa. Fantatra mantsy maro fa maro amin'ireo ankizy ireo no tsy mahay miteny akory, tsy mahay mandeha, tsy mahay misasa ary tsy mahay misakafo. Omena fampianarana manokana izy ireo noho izany raha hampianarina momba ny fanodinana ny saribao ihany koa ny Ray aman-dReniny ho fidiram-bola ho an'ny ankohonany. Farany izay tsy kely dia omena fahalalana izy ireo mba hahay hitaiza sy hanabe ny zanany fa tsy ankinina amin'ny sekoly irery. Mampiasa fitaovana maro moa ny sekoly vao afaka manatanteraka izany indrindra fa ho an'ireo olona jamba mba hahatonga azy ireny tsy ho vesatra ho an'ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina intsony.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo ankizy beazina sy tezaina ao amin'ny MHM Antalamihoatra Ambohijanahary !
 

Dans la même rubrique