tobim-pitsaboana tsy miankina raha kely indrindra. Efa tafiditra ao anatin'io ny ampahan'ny vidim-panafody raha mbola hafa kosa ny saran-dalana hivezivezena sy ny sakafo. Betsaka ireo Ray aman-dReny manan-janaka marary tsy manana fahafahana handidy an-janany manoloana izany, antony nanaovan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha hetsika manokana. Zazalahy kely miisa 14 no nodidian'izy ireo hernie maimaim-poana ny herinandro lasa teo. Ireo dokotera mpandidy eo anivon'ity hopitaly ity no nifanome tanana nanatontosa ny hetsika. Tanjon'izy ireo ny hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo Ray aman-dReny manan-janaka misy hernie, indrindra amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fety izao. Tsiahivina moa fa karazana rivotra tafiditra any anaty tsinay ny hernie ka miteraka fivontosana eo akaikin'ny tatavia tsy maintsy didiana.
Pâti
Légende : Nandritra ny fandidiana !