ny trangan’ity valanaretina ity tany amin’ny fokontany Amberobe Kaominina Andranomanelatra distrikan’Antsirabe II. Raha ny fampitam-baovao marim-pototra avy tany an-toerana, tafakatra 3 ny olona namoy ny ainy, ary olona maromaro no marary sy efa amabaraka fitsaboana. Tovolahy kely vao 13 taonano maty voalohany ny zoma 24 janoary fa hoe nianjera tampoka tany am-pianarana. Nobaben'ny dadany nakany amin'ny CSB 2 Amberobe saingy tsy tana ny ainy, raha ny fanampim-panazavana. Taorian'izay dia narary ilay dadany io ary namoy ny ainy afak’omaly talata 28 janoary. Narary daholo ny iray trano sy olona roa hafa ka nentina tamin’ny sarety satria tafakatra valo ireo narary teo amin'ny manodidina, ary ilay renim-pianakaviana no maty io maraina io, hoy ny vaovao voaray omaly. 6 izy iray trano, ka ny 3 vavy mbola ao amin’ny hopitaly Amberobe niampy olona olona hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Efa nofendrahana fanafody ilay Ilot Ambohiperenana nitrangan'ny aretina, nidina tany ny manam-pahefana isan-tsokajiny tao Antsirabe II.
FIRENENA VOALOHANY INDRINDRA AMIN’NY PESTA ISIKA
Ny firenena telo lehibe mbola ahitana ny aretina pesta mitoetra hatramin’izao dia i Madagasikara, Repoblikan'i Kongo Demokratika, ary Peru, raha ny fanasokajiana nataon’ny OMS. Madagasikara no firenena ahitana ny isan'ny tranga pesta ambony indrindra eran-tany, indrindra any amin'ny faritra ambanivohitra. Ny aretina dia matetika miparitaka avy amin’ny loto, volon’akoho, voalavo, avy amin'ny bibikely mifindra avy amin'ny biby mampinono voan'ny aretina,… Matetika mandritra ny vanim-potoanan'ny orana no tena miparitaka. Ny taona 2017 no isan’ny tena nandravarava ny pesta, manodidina ny 80 na maherin’izay aza no maty tamin’izany, ary nanakaiky ny 1000 ny namoy ny ainy.
MAMONO HAINGANA DIA HAINGANA…
Araka ny fikarohana mpahay siansa, mety ho faty ao anatin'ny 3 ka hatramin'ny 7 andro aorian'ny fisehoan'ny soritr'aretina ny olona voan’ny pesta, arakaraka ny karazany (bubonique, septicémique, pneumonique). Ny « Peste bubonique » izay mifindra avy amin’ny voalavo raha tsy voatsabo, dia maty ao anatin'ny 2 ka hatramin'ny 6 andro ny olona voany. Ny « peste pneunomique) kosa izay pesta miseho amin’ny endriny aretin-tratra, dia tena mahafaty haingana kokoa, satria mety hiteraka aretina amin'ny taovam-pisefoana, ka raha tsy voatsabo, dia mety 1-2 andro fotsiny dia matiny. Tahaka izay ihany koa ny Pesta « septicémique » avy amin’ny bakteria antsoina hoe « Yersinia pestis », avy amin’ny peste bubonique, miteraka fivontosana,… izay mety hiteraka fahafatesana ao anatin'ny 1-2 andro raha tsy voatsabo. Azo tsaboina sy sitranina tsara kosa anefa ny pesta, fa tsy azo atao tsirambina.
Toky R
Sary fanehoana