airtel

Fahasalamana

08-oct-2025

Marary ny fitsaboana

Manamafy ny tolona ny mpitsabo, hampiato ny asany

Sample post image

Niroso nanamafy ny fitakiany sy ny tolona ihany

08-oct-2025

koa ny mpianatra ho mpitsabo izay efa vita fianarana sy ireo mpianatra ho mpitsabo efa miasa eny amin'ny hopitaly na "médecine interne" omaly. Voan'ny SIDA (Salaire Insuffisante Depuis des Années) ny mpiasan'ny fahasalamana, hoy izy ireo. Niroso tamin’ny hetsika omaly, saingy tsy tafiditra ao amin'ny HUJRA moa ireo mpianatra mpitsabo, mikasa ny haka ny naman'izy ireo ao amin'ny Hopitaly izy ireo, saingy nosakanana. Tsy nahasakana ireo mpitsabo tsy hidina an-dalambe saika hiazo ny Minisiteran’izy ireo tetsy Ambohidahy anefa anefa izany. Nosakanana avy hatrany teny Anosy ireto mpitsabo, saingy tena sahy niatrika. "Mon général, marary ireo dokotera mpitsabo, efa tamin'ny taona firy no nisy fiakarana farany ny karama. Mba mamakafakà kely ianao dia mangala "chiffre" fa hiteny ianao hoe rariny ny fitakian'izy ireo", hoy ny iray tamin'izy ireo. Nahasahy niatrika sy nifanosika tamin'ny "forces" ireto mpitsabo ireto. Niafara tamin'ny herisetra sy fandravana tamin'ny daroka lakrimozenina, hany ka nisy ny naratra. Na izany aza, tena sahy niatrika ireo mpitsabo, ka ny lakrimozenina naneporana azy ireo aza dia saika nodakany hiverina tany amin'ny mpandefa avokoa. "Mitaky am-pilaminana vonoina, « service zéro » ny hopitaly manomboka izao, hampikatso ny asa, hitolona hanampy ny vahoaka izahay, ho an’ny vahoaka no itolomanay fa tsy ho anay ihany, vahoaka Malagasy no tsaboinay, izahay mety ho afaka mitsabo ny tenanany,… hoy izy ireo. Nanamafy ny fisiana mizana tsindrian’ila ireto mpitsabo ireto. « Ny mpianatra ho mpitsabo manana doctorat tsy tokony hitovy karama amin'ny miaramila manana BEPC", hoy ny teny mahery vaika nataon’izy ireo. Nanamafy ny antso « Service zéro » izy ireo, ka nilaza hampiato ny asany nanomboka omaly. Ankoatra ny fitakiana, anisan'ny lasibatry ny herisetran'ny "forces" tamin'ny lakrimozenina noho ny fandravana ireo mpanao fihetsiketsehana ny hopitaly sy ny mpitsabo ka efa nitarika ny fanambarana avy amin'ny Holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara. Anisan'ireo mizaka ny lakrimozenina ireo mpitsabo izay manolo-tena hitsabo ireo mpanao fihetsiketsehana maratra. Maneho an-karihary ny marary azy ireo ny mpitsabo. Ny « médecine interne » no maro an’isa amin’ireo mpanao fitakiana, kanefa izy ireo no miantoka ny 70% amin'ny asa sy fampandehanan-draharaha any amin'ny hopitaly. Mitombo sy mihamafy hatrany mazava ho azy ny famoahan'ny sehatra isan-tsokajiny fa marary ny sehatra iasan'izy ireo, marary ny tontolon'ny fitsaboana, marary ny tontolon'ny fampianarana, marary ny toekarena,...
Toky R

 

Dans la même rubrique