airtel

Fahasalamana

29-nov-2022

Fahasalamana

Mbolatiana Mirah – mpikarakara reny sy zaza “Maro dia maro ny zaza marary aty aminay faritra iva”

Sample post image

Toerana iray fikarakarana ny reny sy ny zaza ny atao hoe “cabinet d’accouchement”, hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny “cabinet d’accouchement” iray etsy Namontana, Ramasiharilala Mbolatiana Mirah.

29-nov-2022

Trano fiterahana izy itony, hoy izy, no tena marina ary manana taratasy hijoroany ara-panjakana. Tsy voatery ho fampiterahana irery fa rehefa fikarakarana reny sy zaza, indrindra, vehivavy bevohoka. “Sage femme” no mitantana azy. Izany hoe rehefa manana izay diplaoma izay. Tsy manakana ny dokotera hiara-hiasa aminay, indrindra, “gynécologue” anefa izahay. Tena betsaka ny manao an’io, indrindra, eto Antananarivo satria ireo nanao Paramed betsaka no manana diplaoma nefa tsy arakarak’izay ny tolotr’asa omen’ny fanjakana. Voatery mitady asa ho an’ny tenany izy ireo. 10 isa isan’andro eo izao ny mpisafo ato aminay. 20 isam-bolana ny mpiteraka. Ny olana sedraina moa dia eo amin’ny fari-piainan’ilay olona mihitsy satria tena hita ho misy fiantraikany be ao anatin’ilay fahasalamana ilay krizy eto amintsika. Misy olona hitanao tena sahirana tokony ho karakaraina fa tsy sahy manatona aty aminay satria hoe sehatra tsy miankina dia tsy maintsy mandoa vola. Ny fahafahana anefa tsy hananany na efa tena mora aza ilay sarany. Ankoatran’ny vehivavy bevohoka dia azonay raisina koa ny zaza latsaky ny 5 taona. Maro dia maro ny zaza marary, indrindra, aty aminay faritra iva aty amin’izao valanaretina miparitaka izao. Tsy mifidy hidirana intsony ny olona fa rehefa fantany hoe mpitsabo dia atonony rehefa izay indray no mitranga. Raisinay raha aretina mbola maivamaivana. Be dia be ny aretina nefa ny olona 0 Ariary amin’izao. Raha manoratra fanafody mitentina 30 800 Ariary izahay dia ny vola any am-paosin’ilay olona anefa 5000 Ariary ary tena mateti-pitranga ny toy izany. Manao antsoavo amin’ny mpitondra izahay satria mahita ifotony ny fahasahiranan’ny vahoaka ety. Tsy misy zava-manjary anaty fiarahamonina tsy salama. Raha mba azo atao dia jereo manokana io lafiny fahasalamana io, hoy hatrany ity mpitsabo ity, indrindra, ny fahafahan’ny mponina mividy fanafody mahasitrana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique