airtel

Fahasalamana

12-avril-2024

Mercy Ships eto Madagasikara

Hiditra amin’ny fandidiana ireo marary

Sample post image

Tontosa ny 5 aprily teo, raha tokony ho efa vita ny 29 martsa, ny fandraketana an-tsoratra

12-avril-2024

ireo marary na manana tsy fahatomombanana ara-batana tokony hiatrika fandidiana maimaipoana ao amin’ny Mercy Ships na ilay sambo hopitaly mandalo eto Madagasikara mitoby ao Toamasina amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny fandalovan’ny rivodoza Gamane teto amin’ny firenena, hoy ny fanazavana, no antony naha taraiky izany fandraketana an-tsoratra izany tamin’ireo toerana sasany. Faritra miisa 12 manerana ny nosy no naharaisana fisoratana anarana. Voarakitra an-tsoratra soa aman-tsara avokoa ireo manana aretina na tsy fahatomombanana ara-batana, raha ny fanazavana hatrany, ka dia hiditra amin’ny fandidiana ireo marary, araka izany, ireo manam-pahaizana momba izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap