airtel

Fahasalamana

03-sept-2021

Fahasalamana

Miandrandra Arivonimamo Olona 7 no efa matin’ny pesta

Sample post image

Tena misy ary manomboka mamonoa olona indray ny pesta amin’izao fotoana izao; Olona 7 no voalaza ho voamarina fa namoy ny ainy vokatry ny pesta aretin-tratra na “peste pulmonaire”

03-sept-2021

 tany amin’ny Kaominina Miandrandra Distrikan’Arivonimamo. Ny 4 tamin’ireo no voalaza fa maty tany an-tokantranony, ary kosa tany amin’ny toeram-pitsaboana. Miisa 23 ireo mbola manaraka fitsaboana. Efa noraisin’ny manam-pahefana ny fepetra ahafahana mifehy ny mety ho fipariahan’io valanaretina io. 960 ireo olona voatery natokana monina noho izy ireo nifanerasera tamin’ireo olona voa sy namoy ny ainy, raha ny notaterin’ny pejim-baovao iray omaly. Noraisina ihany koa ny fepetra hafa, toy ny famendrahana ranom-panafody sy ny fanadiovana. Napetraka ihany koa ny sakana ara-pahasalamana amin’ny fidirana ao amin’ny Kaominina Miandrandra, hoy hatrany ny tatitra. Tokony ho mailo ny rehetra amin’izao vanim-potoana izao satria tena betsaka ny aretina sy valanaretina miparitaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap