airtel

Fahasalamana

20-août-2021

Fahasalamana

Miha mahazo laka ny aretina homamiadana Mety hiakatra 80% ny taham-pahavoazana

Sample post image

Manomana ny andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny « Cancer » na ny homamiadiana ny Ekipan’ny AROM (Association d’appui à la Radiohèrapie et l’Oncologie de Madagascar)

20-août-2021

, ka hiompana amin’ny serasera momba ny homamiadana” ny lohahevitra amin’izany. Ny OMS dia nanao fanambarana ny 4 febroary teo, fa ao anatin'ny 10 taona, dia hiakatra hatrany amin’ny 60% mitaha ny amin’izao ny homamiadana maneran-tany. Ho 80% aty amin'ny tany mahantra toa an’I Madagasikara noho ny antony maro, toy ny tsy fahampian'ny hoenti-manana. Matahotra, tsy fanantonana avy hatrany ny toeram-pitsaboana,... Misy karazany betsaka, azo tsirihina mialoha, azo tsaboina, mety ho sitrana 100% ny homamiadana, saingy isan’ny olana ny fahatarana, efa any amina dingana ambony vao voatsirika. Mirona betsaka any amin’ny fitsaboana tsotsotra toy ny raokandro ny olona, kanefa tsy hoe manamaivana ny raokandro, fa aretina lehibe io ka tsy vita tsotsotra toy ny hoe ahosotrosotra. Marina fa vita amin'ny zava-maniry ny fitsaboana fa efa voalanjalanja ara-tsiatifika, hoy I Pr Rafaramino Florine mpampianatra eny amin’ny Fakioliten’ny Fitsaboana. Manana toerana lehibe ny serasera eo amin’ny fiatrehana ny homamiadana satria tena mbola betsaka ny “stade avancée” na efa lasa lavitra. Hisy serasera ara-tsiantifika ny 26-27 aogositra izao, ka isan’ny horesahina amin’izany ny taham-pahafaham-pon’ny marary. Eto Madagasikara, 200-700 isan-taona ireo homamiadana raisina amin'ny “centre de cancérologie” ankoatra ny tsy hita, ka ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono no betsaka eto amintsika, izay ny antsasany latsaka eo. 10 000Ar eo ny fitiliana ho an'ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. 60 000Ar isaky ny manao eo ny Radiothérapie raha mbola dingana ambany.

Rehefa misy ny fandehanana raha araka tsy araka ny tokony ho izy, fivontosona,soritr'aretina maharitra 3 hatramin'ny 4 herinandro, indrindra ho an'ireo 40 taona noho miakatra dia tokony hanao fitiliana ny olona. Ny vehivavy efa nanao firaisana ara-nofo dia tokony hanao fitiliana. Mila tandremana ny toaka, mihena ampahatelony ny homamiadana raha foana ny sigara,… Tokony hisy centre de radiothérapie manerana ny Nosy satria manana toerana lehibe ny radiothérapie, ary ho an’ny etsy amin’ny HJRA dia efa misy fotodrafitrasa vita, ka andrasana ny fampitaovana ireo milina, hoy ny mpitsabo. Ny Hopitaly HJRA ihany hatreto no manana ny Centre de radiothérapie et cobaltothérapie etsy Befelatanana ary ny Polytechnique Ilafy ho an’ny tsy miankina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mbola betsaka ireo zaza tsy vita vaksiny eto amintsika indrindra fa ny any ambanivohitra.

Card image cap