airtel

Fahasalamana

31-mars-2022

Fahasalamana

Minisiteran’ny fahasalamana Raikitra indray ny grevy

Sample post image

Milaza hanakatona ireo fivarotam-panafody, hanakatona ny tranom-paty,… ireo mpiasa sy mpandraharahan’ny fahasalamana taorian’ny tsy fisian’ny vahaolana tamin’ny fangatahana.

31-mars-2022

Mitohy ny hetsi-pitakiana, ka tonga teny amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana Ambohidahy izy ireo omaly. Marihina fa nitokona nanomboka ny 23 martsa ireo mpiasa sy mpandraharahan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mitaky fanondrotana ny marin-karama, tombotsoa, fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa tsy raikitra.Tapaky ny rehetra, fa miato avokoa manomboka anio alakamisy ny asa. Voalaza etsy andaniny, fa nilaza handinika ny raharaha ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (FOP) amin’ny 5 aprily izao. Karama efa tamin’ny 1960 ka mitaky ny “régime particulier”, fampidirana ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ECD izay misy efa 15 taona niasana, hoy ny mpiasan’ny fahasalamana any Toliara. 60% ny “personnels Adminisitratifs”, any amin’ny 7000 mahery ny mpiasa. Hihamafy ny fitakiana, tsy hisy asa tanteraka, tsy hisy birao hivoha,… Miandry ny talata izao hamalian’ny FOP ny fitakian’ny mpiasan’ny fahasalamana, ka raha tsy mahafa-po dia tena hangotraka ny fitakiana, hoy hatrany ireo mpiasa. Taorian’ny grevy fitakian-karama nataon’ny mpiasan’ny CTC-19 dia io fa mitohy ny olana hafa. Ahitana olana sy grevy hatrany ity ny tontolon’ny fahasalamana, ka misongadina ny ara-bola, kanefa dia vola tsy toko tsy forohana no miodina ao aminy, ary resabe aza ny raharaham-pitantanana ny volan’ny coronavirus.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap