airtel

Fahasalamana

22-juil-2025

Minisitra Zely Andriamanantany

Nampitandrina ny mpiasan’ny fahasalamana, manatsara tena…

Sample post image

Mamay ny toe-draharaha mikasika ny tontolon’ny fahasalamana,

22-juil-2025

ka miezaka mba manao serasera entina hanehoana fa mandray andraikitra ny Minisitra Pr Zely Andriamanantany, izay isan’ny tratry ny kiana mivaivay samihafa tato noho ny tsy fahombiazana amin’ny endriny samihafa. Nanao fanambarana hentitra ingahy minisitra omaly manoloana ireo mpiasan'ny fahasalamana misy voalaza fa tsy manaja ireo marary na ireo olona raisina, ka nampahatsiahy ny tokony ho fitondran-tenan’ny mpiasan’ny fahasalamana. Nambara fa tokony hanana fitsipi-pitondran-tena « ligne de conduite » kanefa betsaka ny fitarainana any amin’ny CSB, Hopitaly, birao samihafa. Matoa niditra ho mpiasan’ny fahasalamana dia tokony fahaizana mahatsapa ny zavatra iainan’ny olona na « empathie ». Olona mitady vonjy no mitady ny mpiasan’ny fahasalamana, ka tokony hanana fahatsapana an’izany ny rehetra, hoy ny Minisitry ny fahasalamana. Misy anefa, hoy izy, tompon’andraikitra manao fihetsika tsy voahevitra manoloana ny voina mahazo ny olona izay marary azy. Sanatria lasa manivaiva, lasa adino ilay izy, matetika mipetraka fotsiny amin’ny maha teknisianina na tompon’andraikitra, ka adino ilay maha olona. Ny anatin’ny Minisiteran’ny fahasalamana iray manontolo no lasa voahenjika. Nambara fa handraisana andraikitra ireo izay tsy manaraka an’izany fitsipi-pitondran-tena izany. Zava-dehibe izany amin’ny lafiny iray, ary betsaka ny fitarainana izay tsy vao izao fa efa hatry ny ela. Heverina ihany koa fa mba hampihena ny fihetsika mety manohintohina ny marary sy ny fianankaviany eny amin’ny toeram-pitsaboana samihafa. Tsy afaka hatao safobemantsina ihany koa anefa fa maro ny mpiasan’ny fahasalamana manao ny ainy tsy ho zavatra. Taorian’io, nesorina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra manokana ny Dr Manuella Vololoniaina Nivoarisoa Talen’ny DVSSER (Directeur de la Veille Sanitaire, de la Surveillance Epidémiologique et Riposte). Hahatsapa tena hametra-pialana ihany koa ve ny Minisitry ny fahasalamana eo anatrehan’ny tsy fahombiazana samihafa raha tsy hilaza afatsy ny raharaha Ambohimalaza nisiana faty olona 31? Tokony mbola hisy eto Madagasikara ve ohatra ny tazomoka nahafatesana olona an-jatony tany Ikongo sy ny manodidina raha mahomby ny Minisiteran’ny fahasalamana ? Mahomby ve ny Minisiteran’ny fahasalamana raha ny lefakozatra na « polio » izay efa nahazoantsika mari-pankasitrahana iraisam-pirenena tamin’ny 2018 no mbola lasa miverina indray ankehitriny ? Sao tokony handinin-tena ihany koa ny any ambony mba ho ohatra ho an’ny rehetra ?
Toky R

 

 

Dans la même rubrique