airtel

Fahasalamana

02-févr-2021

Fahasalamana

Minisitry ny fahasalamana “Ho bebe kokoa ny vola hiasa any amin’ny distrika”

Sample post image

Anjaran'ny avy ao amin'ny "UASM" no nitatitra ireo zava-bita nandritra ny

02-févr-2021

 

 

 

 

herinandro lasa sy ireo kinasa ho amin'ity herinandro vaovao ity, hoy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana nandritra ny fananganan-tsaina omaly. Nanazava sy nametraka ny fomba fiasa vaovao ara-teknika sy ara-pitantanam-bola ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Rakotovao Hanitrala Jean-Louis. "Manomboka eto dia ho bebe kokoa ny vola miasa any amin'ireo distrika noho ny vola miasa eto amin'ny Ministera foibe, hoy ny Minisitra, satria any no ahitàna ireo CSB maro". Manoloana ny ady amin'ny valanaretina Coronavirus, dia manentana hatrany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hanohy ny fanajana ireo fepetra sakana sy ny fotondràna aro vava orona mba tsy hampihanaka ny fipariahan'ny valanaretina any amin'ireo faritra hafa eto Madagasikara izay mbola tsy ahitàna izany. Hatreto kosa, toa mbola mbola manentsin-tadiny eo anatrehan’ny fitakian’ny mpitsabo mpanampy ny Minisitera mpiahy.

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap