airtel

Fahasalamana

24-oct-2022

Fahasalamana

Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka Mbola tsy manome alalana fanokafana tobim-panafody aloha

Sample post image

« Adidin’ny Fitondrampanjakana ny manome fanafody tsara kalitao ny vahoaka Malagasy amin’ny fotoana ilaina izany » .

24-oct-2022

Nasongandin’ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANATANY Ny Minisitry ny Fahasalamabahoka izany nandritra fanombohana ofisialy ny fanofanana ireo olona misehatra amin’ny fitantanana tobim-panafody izay nontaterahina tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana faritra analanjirofo ny Sabotsy teo. Aim-bahoaka no sahanina raha vao miresaka fanafody ka rariny raha sarotiny ny Fitondram-panjakana amin'ny fanaraha-maso ny sehatr'asa misy azy ireo ary izay no mahazava-dehibe ny fanofanana toy izao . Tanjona hotratrarina mantsy ny hananana vahoaka salama araka ny nambaran' Andriamatoa Minisitra hatrany. Hisorohana ny gaboraraka moa dia mbola mitsahatra hatreto ny famoahana fanomezan-dalana hanokatra tobim-panafody eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tsy maintsy mandalo fiofanana avokoa aloha izay olona vaovao mieritreritra ny handraharaha amin'ity sehatra iray ity manomboka izao.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap