Malagasy rehefa sanatria tojo tsy fahasalamana. Mila manana 60.000 Ar any am-paosy any mantsy raha kely vao mahazo fizaham-pahasalamana miampy fanafody vitsivitsy. Mbola mety mitombokely io lela-vola io raha sanatria tsy misy fiovana ny toe-pahasalamana ao anatin’ny roa na telo andro. Lasa misisika eny amin’ny CSB II avokoa ny ankamaroan’ireo marary vokatr’izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia nahitana gripa mahery miampy tazo teto amintsika efa ho iray volana mahery izao. Tsy mifidy taona izy io fa lasibatra avokoa na olon-dehibe na zazakely no sady haingam-pifindrabe. Raha olona iray no voa ao an-tokantrano ao dia tsy mijanona izany raha tsy lasibatra avokoa ny rehetra. Tsy vitsy ireo valalanina vokatr’izany nefa ny vola efa tsy misy. Vao amin’ny 07 ora sy sasany maraina noho izany dia efa any amin’ny laharana faha-37 ny olona iray marary tonga manatona CSB II. Midoika izany fa tena sahirana ny Malagasy nefa tsy maintsy mitsabo tena rehefa tojo tsy fahasalamana. Na izany aza dia fantatra fa misy vola aloha hatrany na dia CSB II aza no handehanana hitsaboan-tena saingy mba maivamaivana. 12.000 Ar ny mora indrindra amin’izany saingy mba efa misy tsindrona sy fanafody hafa kosa. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray moa dia ny fisotroana rano betsaka, ny fahampian’ny torimaso, ny fihinanana voankazo sy legioma no hany vahaolana hahafahana miady amin’ity gripa mahery ity raha tsy adino ihany koa ny fanaovana arovava orona hisorohana izany tsy hifindra.
Pati
Legende : Filaharambe tahaka izao vao maraina no misy eny amin’ireo CSB II maro isan-tsokajiny !
Efa tsy mila averina matetika intsony ny hoe efa lasa toa an’ireo aretin’ny ririnina rehetra