airtel

Fahasalamana

30-juin-2026

Mitombo ny tranga sy ny matin'ny Mpox

Tondroin'ny Réunionnais ho namindra taminy isika

Sample post image

Mbola tena anatin'ny valanaretina

30-juin-2026

Mpox i Madagasikara. Mety tsy dia mahataitra ny olona, saingy mitombo ny maty, miakatra ny tranga, ary tondroin'ny Firenena vahiny sasany ho namindra taminy aza isika. Araka ny tatitra farany navoakan’ny COUSP (Centre opérationnel d’urgence de santé publique) omaly 29 jona 2026, niakatra ho 14 ny namoy ny ainy hatramin’ny nipoiran’ny aretina, ka isan’izany ny zaza vao teraka 12 andro tao Antananarivo sy olona iray sokajiana ho marefo tao amin'ny Faritra Anosy. Tamin’ity faran’ny herinandro ity ihany koa dia nisy 16 ny tranga vaovao voamarina tany amin’ny distrika maromaro toa an'i Soanierana Ivongo, Antalaha, Antananarivo ary Antsohihy. Hatramin’ny fiandohan’ny valanaretina dia 2 408 tranga voamarina no voarakitra manerana distrika 36, ary 1 721 amin’ireo marary ireo no efa sitrana. Toamasina I, Antsiranana I, Antananarivo-Renivohitra, Toliara ary Sambava no tena voa, izay mbola mitarika amin’ny isan’ny tranga vaovao tato anatin’ny herinandro maromaro. Entanina hatrany ny fanamafisanany fiarovana indrindra ho an’ireo marefo, ny fanaovana vaksiny,… Andaniny, ao La Réunion kosa, 20 tranga Mpox no efa voamarina hatramin’ny fiandohan’ny taona 2026. Ny ankamaroan’ireo dia nolazaina fa tranga avy any ivelany na "importés" avy eto Madagasikara, ary voamarina fa fifandraisana ara-nofo no tena antony nahatonga ny fiparitahan’ny aretina, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao Reunionais. Nampitandrina ny ARS (Agence Régionale de la Santé) any an-toerana fa ilaina ny fanaovana vaksiny ho an’ireo Réunionnais mikasa ny handeha aty Madagasikara, ho fiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina. Tahaka izany ihany koa ny fanentanana momba ny vaksiny sy ny fitiliana ho an’ireo olona avy aty Madagasikara na nifandray akaiky tamin’ireo. Sokajian'io Nosy rahavavy io ho namindra aretina isika saingy hafahafa ihany hoe: fizahantany mamoafady ve izany no niparitahan'ilay aretina tany sanatrian'ny vava? Ara-pizahantany, anatin'ny vanim-potoana mampiakatra azy na "haute saison" isika izao ka mety hanaratsy endrika sy hampihena ny faharisihan'ny mpizahatany io resaka aretina io. Mila paikady mahomby sy fepetra miteraka fitokisana noho izany isika manoloana an'io toe-javatra ara-pahasalamana iray io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Maromaro ny olana ara-pahasalamàna

Card image cap