Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mahatratra 100 isam-bolana ireo marary tonga manatona ny CSB II ka misy ireo efa tena manao cas grave mihitsy. Tsy ampy anefa ny fanafody omena ireo marary any an-toerana hatreto hany ka mahatsiaro ho sahirana ny mpitsabo. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny lay misy ody moka isan-tokantrano intsony izay tsy fantatra ny hanaovan’ny tompon-trano azy ka mampanahibe ireo tompon’andraikitra. Ankoatra ny fiovaovan’ny toetr’andro moa dia anisan’ny mampirongatra ny aretina tazomoka any an-toerana ny fisian’ny lobolobo tsy voasoroka ka mampahazo vahana ny moka. Toraka izany koa ny fanaovana dokotera tenany ho an’ireo tsy sahy manatona tobim-pahasalamana. Efa nisy moa ireo maty hoy hatrany ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana.
Pati
Legende : Anisan’ny mandray ireo olona tratry ny tazo mahery ny CSB II Amboasary gara !
Resaka rarintsaina na «stress» no mahatonga ilay hoe misalebolebo sy mandoha mihitsy nefa