airtel

Fahasalamana

04-oct-2022

Fahasalamana

Moramanga Mirongatra ny aretina SIDA, tafakatra 141 ireo voany

Sample post image

Tandindomin-doza tanteraka ny fahasalaman’ireo mponina ao Moramanga. Ilay areti-mandoza SIDA izay tsy mamela mahazo mihitsy mantsy no mandripaka ireo mponina any an-toerana ka fantatra fa efa nisy ireo namoy ny ainy.

04-oct-2022

Raha araka ny vaovao azo omaly hariva dia efa tafakatra 141 hatreto ireo olona mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA ao Moramanga. Ny 60 amin’ireo no efa manaraka fitsaboana ao amin’ny tobim-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana ao an-toerana. Raha araka nyfanazavan’ny medecin inspecteur ao an-toerana dia mahatratra 8 ka hatramin’ny 12 isam-bolana ireo olona tratran’ity aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ity. Loharanom-baovao hafa azo kosa ny fahafantarana fa misy latsaky ny 18 taona ireo marary ireo raha efa mananika ny 60 taona kosa ny sasany. Saika ahitana ireo olona voan’ny SIDA avokoa moa manerana ireo Fokontany ao Moramanga indrindra fa amin’ireo misy vahiny hoy hatrany ny vaovao. Tsiahivina moa fa manodidina ny 420.000 ka hatramin’ny 450.000 isa eo ho eo ireo olona voan’ny SIDA eto amintsika amin’izao. Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny olona miaraka amin’ny tena ihany na ny vadin’ny tena no hany vahaolana hahafahana miady sy manalavitra ity areti-mandoza iray ity.
Nangonin’i Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique