airtel

Fahasalamana

13-juil-2021

Fahasalamana

Mpiasan’ny CTC tsy nahazo karama Manome 48 ora ny fanjakana hamoahana ny vola

Sample post image

Nanao antso nanoloana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka etsy Ambohidahy omaly ireo mpitsabo teo anivon’ireo CTC nandritr’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

13-juil-2021

 Nanao vy very aina tamin’ny ady amin’ny Covid 19 izahay saingy atao tsinontsinona, hoy izy ireo. Tsy mbola nahazo ny karama hatramin’ny niantsoana anay tamin’ny volana aprily 2021 izahay. Mitaky, noho izany, ny handoavana izany karamanay izany faran’izay haingana. Misy ampahany taminay efa nahazo ny ampahan’ny karama ny 25 jona 2021 fa izahay izao dia mbola misy an-jatony no tsy mbola nandray izany. Na dia ny tambin-karama na “prime exceptionnel” aza mbola tsy nisitrahanay nefa nampanantenaina anay. Miantso ny tomponandraikitra mahefa, indrindra, ny filoha Andry Rajoelina sy ny minisitra mpiahy anay, Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao, mba hijery haingana izao olana mianjady aminay izao satria misy aminay izao efa nafindra na “affecté” any amin’ny toerana alavitra. Tsy an-tanana anefa ny vola ka sahirana mafy, hoy hatrany izy ireo. Lava ny dingana arahana vao tonga eo am-pelantanan’ireo mpitsabo izay saika miasa amin’ny hopitaly na CHU ireto avokoa, raha ny fanazavany ny fihaonany tamin’ny tale misahana ny vola na DAF eo anivon’ny ministera, ny dingana vao tonga eo am-pelatanany io karama sy tambin-karamany io. Tsy ny ao amin’ny ministera intsony no miandraikitra izany fa efa any amin’ny ministeran’ny vola sy tetibola. Avy ao indray no mankany amin’ny primatiora vao mankany amin’ny fiadidiana ny repoblika. Avy ao ny fanamarihana farany vao mety hanao sonia izay vola izay vao midina any amin’ny ministeran’ny fahasalamana indray. Aorian’izay vao mankany amin’ny minisiteran’ny vola sy tetibola indray. Tsy mbola manana vahaolana ny ministera hatreto, hoy ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto ka mitaky am-pilaminana izahay ao anatin’ny 48 ora hiandrasanay izay vola izay. Rehefa tsy mivoaka ao anatin’izay moa dia mety hiafara amin’ny fiatoan’ny asa ataonay raha ilaina, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique