fahasalamam-bahoaka, hoy ny fampitam-baovao fa isan’ny manampy ireo manana marary ny mahafantatra ireo fanamiana mampiavaka ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka isanisany. Tsara, ho fantatra, araka izany, hoy ny fanazavana, fa ny Dokotera dia miloko fotsy no fanamiany. Ny Rasazy dia manao mavokely. Ny Infirmiera manao manga. Ny “Anesthésiste” na mpanala fanaintainana dia manao maitso antitra. Ny “Technicien de laboratoire" na tekinisianin’ny fitiliana dia manao maitso tanora. Ny “Agent d'appui” na iraka mpanampy dia manao manga lokon-dranomasina na "bleu marine", hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija