airtel

Fahasalamana

07-sept-2022

Fahasalamana

Mpitsabo malagasy FITRAMA “Toherin’ny manam-pahaizana foana ny manam-pahalalana”

Sample post image

80%n’ny malagasy izao, raha ny tarehimariky ny OMS, ny malagasy misitraka fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny fikambanana mpitsabo malagasy FITRAMA.

07-sept-2022

Ny filoham-pirenena koa nilaza, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Nirina Rafanomezantsoa, dia nilaza fa izany no nitsaboana ny Coronavirus teto Madagasikara. Ekena fa nisy ny maty sy narary fa nivoaka mpandresy isika tao anatin’ilay ady. Niezaka nanatsara ilay tontolo ny FITRAMA ary nitondra rivo-baovao goavana teo amin’ny tontolon’ny fitsaboana. Tsy mampiasa masinina fampiasan’ny dokotera na mandidy olona na mampiasa tambavy fa efa mivoatra amin’ny fampiasana lohamenaka sy akora azo avy amin’ny zava-maniry. Tsy olona vao marary anio no manatona mpitsabo nentim-paharazana fa efa lany aiky tamin’ny fitsaboana. Azo hitsaboana daholo ny zavaboary rehetra hatramin’ny voatabia sy perisily ary ny zava-dehibe dia izay fomba fitsaboana izay apetrantsika amin’ny taranaka. Miantso ny rehetra hiaro ny tontolo iainana ary ny fitondram-panjakana koa antsoina hampita izany rehetra izany ka hametraka izany ho tanjona mandrakizay. Ny aretin’ny voa izao eto Madagasikara matetika rehefa miakatra ny tahany dia na atao “dyalise” mandra-pahafaty na alefa any Inde na firenen-kafa amina tetibola 60 tapitrisa na 100 tapitrisa Ariary. Izahay anefa sady mitsabo voa no mahita tombony maro ao anaty fitsaboana nentim-paharazana. Ny olan’ny fitsaboana eto Madagasikara dia ampidirantsika zavatra simika be dia be ny vatantsika. Toherin’ny manam-pahaizana foana ny manam-pahalalana ary miheritreritra foana ny manam-pahaizana fa izy no mahita ny tekinika rehetra fa ny manam-pahalalana nefa tokony hapetraka amin’ny toerany koa ary tokony hijery satria mijery ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra isika dia hainy tsara ny mikolo ny tontolo iainana sy maka ny tombony amin’izany, hoy hatrany ny FITRAMA.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

Card image cap