airtel

Fahasalamana

03-nov-2021

Fahasalamana

Mpitsabo nentim-paharazana Hananganana borigady manokana hiady amin’ny piraty

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny foiben’ny fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara etsy Ivandry ny dinika momba ny fomba hananganana ny birao

03-nov-2021

 mpandrindra ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy eto amin’ny faritra Analamanga na ny BCRT Analamanga. Iarahana amin’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny faritra izy io, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Samy hanana solontena ao, ohatra, ny governora, ny prefektiora, ny mikasika ny fitsarana, ny mpitandro filaminana toy ny zandary sy polisy, ny fitaleavam-paritry ny serasera sy kolontsaina izay vao namoaka farany teo fa voarara ny fanaovana dokam-barotra ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy dokam-barotra ihany anefa no resaka eto fa fandrindran-draharaha amin’ny ankapobeny. Tsy rafitra vaovao akory ny BCRT fa efa voasoratra any anatin’ny sata mifehy ny ANTM izay fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana hatramin’ny taona 1977 izay namolavolana azy fa mbola tsy voapetraka manerana ny faritra rehetra fotsiny. Ny ao amin’ny faritra Atsinanana sy SAVA no voapetraka hatreto. Ny ao Atsinanana aza mbola tsy afa-miasa tsara. Rehefa natao ny fandinihana dia hoe andeha asiana borigady manokana toy ireny miady amin’ny piraty an’ny artista ireny fa mpanao piraty eo amin’ny fitsaboana nentim-paharazana kosa eto Analamanga. “Brigade speciale pour la reglementation de la medecine traditionelle Analamanga” no iantsoanay azy, izany hoe mikasika ny fampanarahan-dalana sy fandrindrana ny fitsaboana nentim-paharazana eto Analamanga na BSRMT, izay rafitra ao anatin’ny BCRT ihany. Efa misy koa ny didim-pitondrana mametraka ny CCC na filankevitra kaominalin’ny fitsaboana nentim-paharazana eny anivon’ny kaominina. Hiezaka hiaraka amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny faritra koa io mba hametraka an’io rafitra io. Ny fanisana ny mpitsabo nentim-paharazana isaky ny kaominina, ny fanaraha-maso ny asany, ny fampidirana azy anatin’ny ara-dalàna toy ny tsy maintsy fidirana anaty ANTM no asa goavana miandry azy, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mitana anjara toerana goavana amin'ny kalitao ny tolotra fanafody sy kojakojam-pahasalamana

Card image cap