Maro ny manambany sy manaratsy azy ireny, hoy izy, ary izy ireny dia terena tsy hanao dokam-barotra. Tafiditry ny antsojay politika koa ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana. Maro no milaza ho hanakatona sy ny toy izany nefa izahay dia milaza fa tokony jerena akaiky ny momba ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo. Be dia be ny olona nahita tombontsoa tamin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Manoloana ny fifidianana akaiky dia ao ny fanakorontanana isan-karazany mila toherina. Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izahay mba hijery akaiky ireo mpitsabo nentim-paharazana satria politikam-panjakana ireo resaka fitsaboana nentim-paharazana io. Be dia be ny fandrahonana etsy sy eroa. Tsy nisy nataonay afa-tsy nanasoa ny mpiara-belona sy nanandratra ny maha malagasy. Matoa aho nametra-pialana tsy ho tale jeneralin’ny FITRAMA dia mba hahafahanay miady kokoa ho an’izay maha malagasy izay. Mila fitoniana isika, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Miaina ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro tanteraka indray isika eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Ny Paramed no miantoka ny 80%-n’ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny