airtel

Fahasalamana

27-oct-2025

Mpitsabo nentim-paharazana

«Miandrandra minisitry ny fahasalamàna tsy tery saina izahay!»

Sample post image

Nilaza ny hetahetany manoloana ny

27-oct-2025

fijoroan’ny tetezamita mankany amin’ny fanovàn-drafitra misy amin’izao fotoana izao koa ny Sempinemad na ny sendikàn’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo. Maniry izahay, hoy izy ireo, ny hisian’ny rindran-damina eto amin’ny firenena. Isany ny mikasika ny haren-tsaina, fomba amam-panao, soatoavina, ny kolontsaina ka ampahany iray amin’ireo ny fitsaboana nentim-paharazana, izay asa aman-draharahanay araka ny lalàna, ao anatin’ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamàm-bahoaka. Ao anatin’ny lalàna momba ny fiarovana ny haren-tsaim-pirenena malagasy eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina ihany koa. Anatin’ny fehezan-dalàna mikasika ny fiarovana izany fahalalahana izany eo anivon’ny fitrandrahana sy fikirakiràna ireo harena foto-tarazo eo anivon’ny minisitera misahana ny tontolo iainana. Ny mampalahelo hatramin’izay dia efa nipetraka araka ny tokony ho izy ny lalàna fa mbola maro ireo tomponandraiki-panjakàna isan-karazany, ny fiarahamonina, indrindra fa miala tsiny aminareo Dokotera sasantsasany izay mbola mihevitra ny fanaovana tsinontsinona ity sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana ity. Izao no vanim-potoana hiarahanay manandra-peo ahafahana mametraka araka ny tokony ho izy izay maha izy azy ny malagasy izay ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana sy izahay mpitsabo nentim-paharazana nomen’Andriamanitra fahasoavana nandova ireo razanay amin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Mbola mizaka ny tsy eran’ny ainy ireo manan-talenta mikasika izany. Heritreretin’ny sasany tadiavina ho foanana mihitsy eto amin’ny firenena kanefa isan’ny zava-dehibe maha izy antsika malagasy izay sehatra izay ka mahatonga anay manerana ny nosy, izay soloanay tena, manandra-peo mba ho jerena manokana, indrindra, hanendry minisitra indray ny fitondràna vaovao.Miandrandra minisitry ny fahasalamàna tsy tery saina izahay! Minisitra tsy hanao an-kilabao ny taranja rehetra momba ny fitsaboana eo ambany fiadidiany, isany ny fitsaboana nentim-paharazana, fa hametraka andry lehibe mampifameno ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny mifanaraka amin’ny toetr’andro. Maro ireo minisitra teo aloha no nanao tsinontsinona anay nefa maro ireo tany lazaina ho lavitra andriana no mbola ny mpitsabo nentim-paharazana no andrandrain’ny mponina any aminy. Tao ireo minisitra tsy mety mandray. Misy ny andro afrikanina momba ny fitsaboana nentim-paharazana izao dia tsy miraharaha fa solontena lava no alefa. Manantena izahay fa tsy ho toy izany intsony ny ho minisitry ny fahasalamàna amin’ny hoavy rehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique