airtel

Fahasalamana

01-sept-2021

Fahasalamana

Mpitsabo nentim-paharazana Voarara ny manao dokam-barotra na mivantana na an-kolaka

Sample post image

Nankalazaina omaly talata 31 Aogositra ny andro Afrikana ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana. Anisan’ny nitondra tombontsoa be ho antsika teto Madagasikara ny fisian’izy io raha araka

01-sept-2021

 ny fanazavan’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka omaly ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Nasiany resaka manokana ny CVO hahafahana miady amin’ny valan’aretina Covid 19 izay vokarin’ny IMRA ary mbola hampiasaintsika mandraka ankehitriny. Notsiahiviny moa fa ny 97%-n’ny fanafody hampiasaina entina hitsaboan-tena eto amintsika dia avy amin’ny alalan’ny zava-maniry avokoa. Miantso ireo mpitsabo nentim-paharazana rehetra mba hanara-dalana araka izany ny tenany. Tsy azon’ny Ministera ekena ny fisian’izy ireny hoy izy raha tsy misy alalana mazava. Notsiahiviny ihany koa fa tsy azon’izy ireny hatao ny manao dokam-barotra na mivantana izany na ankolaka satria tsy mifanaraka amin’ny soa toavina Malagasy izany. Ho an’ny mpanao gazety dia nametrahany fepetra manokana fa tsy tokony hanao dokam-barotra ho an’ny mpitsabo nentim-paharazana raha tsy nahazo alalana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ireto farany.
Pati

 

Dans la même rubrique