azy manokana eto amintsika. Nihena ho 2% mantsy sisa ireo marary mandoa vola ara-dalàna aminy nanomboka tamin’ity taona 2025 ity raha mbola nisy 10% izany tamin’ny taon-dasa. 20 000 ARIARY, IN-TELO MANDOA Raha araka ny resaka nifanaovana tamina dokotera iray dia noho ny fahasahiranan’ny olona no mahatonga izany. Tsy manam-bola hitsaboan-tena intsony ny Malagasy rehefa marary. Raha mba nanana ihany ny sasany tamin’ny taon-dasa dia tsy misy intsony izany ankehitriny vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana. Tsy maintsy hanetsenana ny vola hividianana vary sy laoka, handoavana jiro…ny teti-bola natokana ho an’ny fahasalamana hany ka misy fiantraikany tanteraka amin’izy ireo. Saika manao trosa avokoa ireo marary tena mila fitsaboana vokatr’izany. In-telo mandoa ny 20.000 Ar ho an’ny sasany ao anatin’ny iray volana….Nomarihin’ity mpitsabo ity anefa fa tsy izay rehetra manao trosa dia ekeny. Betsaka mantsy ireo olona marary manjavona rehefa sitrana soa aman-tsara izy ka izay olom-pantany ihany no tsy maintsy karakarainy.
Pati
Legende : Tsy manam-bola hitsaboan-tena eny amin’ny tobim-pitsaboana tsy miankina intsony ny olona .
(Sary fanehoana)
Nisy ny fitetezam-paritra sy fizahana ara-pahasalamana niarahan’ny Kristianina