Mahatratra 65,13 % ny taham-pahavoazana tamin'ny fitiliana Mpox teto Madagasikara hatramin'izay, araka ny tatitra farany navoakan’ny manampahefana ara-pahasalamana. Hatramin’ny nanombohan’ny fanaraha-maso dia nisy fitiliana 2 148 natao, ka nahitana tranga 1 399 voamarina tamin’ireo tranga 2 541 notaterina nanomboka tamin’ny volana desambra 2025. Ny antontan’isa ofisialy dia manamarika ihany koa ny fisian’ny sitrana 1 121 sy maty 4, izay samy voarakitra tao anatin’ireo tranga voamarina. Ho an’ny andron'ny 7 mey 2026 teo manokana, nisy tranga 23 ahiahiana notaterina sy notiliana, ka 20 no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. Telo tamin’ireo marary kosa no voamarina fa sitrana, ary tsy nisy fahafatesana vaovao voarakitra. Araka ny fanazavan’ny Pr Diavolana Köcher Andrianarimanana, ny fiparitahan’ireo tranga vaovao dia toy izao: 10 tao amin’ny faritra SAVA, 4 tao amin’ny DIANA, 4 tao amin’ny Analamanga, 2 tao amin’ny Atsinanana, ary 1 tranga tsirairay tao amin’ny Boeny, Melaky ary Betsiboka. Mbola mampanahy ny fiparitahan’ny aretina manerana ny faritra maro, saingy manome fanantenana kosa ny isan’ny sitrana mitohy miakatra. Ny manampahefana dia manentana hatrany ny vahoaka hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana sy hanamafy ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tena sy ny hafa. Efa misy moa ny vaksiny hahafahana misoroka azy io.
Toky R