Mitohy ny fanaraha-maso akaiky ny toe-draharaha momba ny aretina Mpox eto Madagasikara. Araka ny angon-drakitra avy amin’ny Ivon-toerana nasionaly misahana ny vonjy taitra ara-pahasalamana, tranga vaovao 24 voamarina no voarakitra tamin’ny 21 aprily, miaraka amin’ny tranga 2 ahiahiana mbola eo am-pandalinana, raha toa kosa ka tranga 4 no voamarina fa tsy izy. Hatramin’ny fiandohan’ny valanaretina tamin’ny 18 desambra 2025, tafakatra 2 139 ny tranga voarakitra, ka 1 124 no voamarina. Ny tranga ahiahiana na azo heverina dia mitotaly 440, raha 575 kosa no voaporofo fa tsy voan’ny aretina. Ny isan’ny sitrana tanteraka kosa mahatratra 858, ary nisy fahafatesana 3 voamarina hatramin’ny fiandohan’ny valanaretina. Amin’ny ankapobeny, fitsapana 1 815 no efa natao, ka tombanana ho 61,93 % ny taham-pahavoazana, izay tena ambony tokoa. Na izany aza, azo lazaina ho ambany ny taham-pahafatesana, kanefa tsy azo hamaivanina satria aina no resaka. Isan’ny mbola lesoka ho antsika kosa ny tsy faharisihana manao vaksiny, ka nahatonga ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS naneho fahadisoam-panantenana tapa-bolana mahery lasa izay satria 10000 tamin’ny tanjona fanaovam-baksiny 14000 no tratra. Nahazo fatra 30000 anefa isika ny fiandohan’ny martsa, ka miankina amin’ny fahavitrihana manao izany no ahafahana mahazo hafa indray.
Toky R