airtel

Fahasalamana

06-sept-2021

Fahasalamana

Nampitandrina i Dr Fidiniaina Randriatsarafara “Anaty vanim-potoana mampatanjaka ny pesta isika”

Sample post image

Voamarina fa tena pesta aretin-tratra mihitsy no mitranga any amin’ny Kaominina Miandrandra Distrikan’Arivonimamo, hoy ny Dr Dr Fidiniaina Randriatsarafara

06-sept-2021

Talen’ny fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Noho izany, tonga nijery ifotony nanamarina ny tranga ny mpitsabo avy amin’ny minisitera sy ny teny ifotony, ny mpiara-miombon’antoka, ny manam-pahefana isan-tsokajiny, ny prefektiora, ny distrika, ny mpitandro fikaminana,… Noraisina an-tànana araka ny tokony ho izy ireo namoy ny ainy, izay 7 ka ny 3 teny amin’ny tobim-pahasalamana, ary 4 eny amin’ny fiarahamonina. 22 ny marary, izay efa voaray an-tànana, ary andalam-pahasitranana. Nambarany fa azo sitranina ny pesta ary maimaimpoana ny fitsaboana; Matoa mitranga ny pesta aretin-tratra dia misy fahatarana ny fandraisana andraikitra amin’ny olona izay mety tratry ny kaikitry ny parasy fa mety ho noho ny fomba amam-panao mety nakany amin’ireny famadihana ireny kanefa ny olona izay navadika dia mety nitondra ny otrik’aretin’ny pesta. Eo am-pandinihana sy ny am-pijerena ny mety ho tena antony nahatonga izany ny minisiteran’ny fahasalamana. Efa natao ny fiarahana amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fametrahana ny sakana ara-pahasalamana hifehezahana ny tsy fipariahana. Efa voafehy amin’izao, saingy tsara foana ny misoroka ka napetraka niaraka tamin’ireo faritra manodidina an’Itasy dia Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava,… Efa misalahy amin’izany fametrahana sakana izany mba hitiliana ireo olona izay mety mitondra hafanana. Izay no atao amin’izao, ary efa nomena fanafody ireo olona nifampikasoka, nofendrehana fanafody ireo toerana mety hisy ny pesta namonoana ny otrik’aretina sy ny parasy. Mifindra amin’ny alalan’ny tsiranoka, rehoka, hatsembohana, kaikitry ny parasy, fikirakirana razana mety avy voan’ny pesta,… Nambaran’I Dr Dr Fidiniaina Randriatsarafara fa miditra amin’ny vanim-potoana tena mampirongatra ny pesta izay eo anelanelan’ny aogositra hatramin’ny aprily isika izao, ary mitovy amin’ny fiarovana amin’ny covid-19 ihany ny fiarovana. Mila manasa tànana, manao arovava,… hoy io mpitsabo io, izay nanentana ny rehetra hanaraka ny fepetra ara-pahasalamana. Tsara raha mamonjy tobim-pahasalamana avy hatrany raha mafana hoditra, mikohaka be, marary ny tratra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanana Mii’zara niaraka tamin’ny CSB II teny Ambatolampy Tsimahafotsy

Card image cap