minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka omaly dia 24 taona ny salantaonan'ireo voan'ny Mpox na nendran-drajako eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny tanora, araka izany, no betsaka amin'ireo olona voan'ity aretina mamparikoditra ity eto amintsika. Antony miisa 2 no voalaza ho mahatonga izany. Eo aloha ny firaisana ara-nofo fa eo ihany koa ny hoe ny ankamaroan'ny vahoaka malagasy mihitsy no tanora ka tsy mahagaga raha ny tanora no be voan’izy ity. Ny fitambaran'ny tranga hatramin'ny 19 janoary dia miisa 374. Tranga ahiana kosa ny 263. 111 ny tranga voamarina. Faritra miisa 7 no misy tranga voamarina ary voalaza fa any Boeny no be indrindra ny isan'ny olona voany. Tsiahivina fa efa nisy narary sitrana, araka ny voalazan'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka hatrany.
Nangonin’i J. Mirija