Hentitra ny kaominîna Alasora amin'ny fanentanana ny mponina ao aminy manoloana ny fisian'ny trangan'aretina nendran-drajako ao anatin'ny distrikan'Avaradrano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia olona iray avy any amin'ny Faritra no nitondra ity nendran-drajako ity tao amin'ny kaominîna ambanivohitr'Ankadikely Ilafy. Efa natoka-monina ao amin'ny hopitaliben'Anosy Avaratra moa ny marary raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tananan'ny kaominina Alasora Randriantsoa Jimmy. Na izany aza dia tsy mipetra-potsiny ny kaominîna tsirairay avy ao Avaradrano fa samy miezaka manentana ireo mponina ao aminy hisorohana ny aretina tsy hiparitaka. Ho an'ny kaominîna Alasora manokana dia misy ny fampahafantarana ny mponina fa mifindra amin'ny alalan'ny fanaovana firaisana ara-nofo ny nendran-drajako. Toraka izany koa ny piti-drora, antony tsy maintsy hanaovan'ny isam-batan'olona arovava orona. Eo koa ny fanasana tanana amin'ny savony na gel hydroalcoolique arahin'ny fanajana ny elanelana. Miantso ireo mponina ao amin'ny Faritra hiadidiany mba ho mailo araka izany ity Ben'ny tanana ity ka hanatona avy hatrany ny CSBII raha vantany vao misy soritr'aretina hafahafa. Toraka izany koa ny fampandrenesana avy hatrany ny tompon'andraikitra raha vantany vao mahita tranga hafahafa sy tsy mahazatra eny anivon'ny fiaraha-monina.
Pati
Légende : Randriantsoa Jimmy, Ben'ny tananan'ny kaominîna Alasora !